Taratasy Voalohan'i Md. Joany

Toko voalohany

1 Izay efa nisy hatramin'ny voalohany, sy efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain'ny tànanay, dia ny Teny fiainana; -

2 fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelona izahay, ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin'ny Ray sy naseho taminay, - 3 eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa, mba hanananareo fikambanana aminay koa; ary ny fikambananay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesoa-Kristy Zanany. 4 Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0435